Politique

CES Io indray ilay kitoatoa


  • Alarobia 29 Mey 2013

Raha fanilihana ireo manampahefana tsy nametra-pialana amin’ny asa aman’andraikiny ao anatin’izao tetezamita izao, nefa kandida filoham-pirenena, no nandrasana tamin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES dia fisiana tranga tsy ahafaha-manoatra amin’ny fanatontosana fifidianana indray no nambarany, omaly.

 Izany dia vokatry ny taratasy nalefan’ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) ary nampahatsiahivin’i Andry Rajoelina an-taratasy nasolony ny fametraham-pialany ny alatsinainy 27 mey teo.

Antony roa no voalaza naharesy lahatra ny CES ny amin’ny mahamety ny hilazana fa misy ny tranga tsy azo anoharana. Ny iray dia niainga tamin’ny fanambarana farany navoakan’ny CPS nandritra ny fivoriany faha-376 farany teo milaza fa hampiato ny PACEM na ny famatsiam-bola hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena raha toa ka tsy misintaka ireo kandida telo dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Mety hisy voka-dratsiny amin’ny tetibola tokony hanaovana ny fifidianana izany fampiatoana ny famatsiam-bola izany, raha ny fandinihan’ny CES azy. Eo no mahagaga ka mampametra-panontaniana. Efa nilaza ofisialy ve ny mpamatsy vola ny fifidianana fa hampiato ny famatsiambolany ? Ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Leonidas Tezapsidis anie ka nilaza mazava fa mbola mitohy ny fiaraha-miasa e ! Mety ho diso angamba ny fandraisana ny resakay, hoy i Leonidas Tezapsidis fa tsy misy resaka fanapahana famatsiam-bola izany hatreto. Ramatoa Atallah Béatrice ve izany no taitaitra sa inona no nahatonga azy hanao fanambarana miendrika fandrahonana ny mpanao politika nilaza fa tapaka ny famatsiam-bola ary manome 48 ora hieritreretana sy hanapahan-kevitra ?

Manaraka izany, miharihary izao fa izay tian’ny FFM izany izao no raisiny mikasika ny fehin-kevitry ny CPS. Ny fanambarana nataon’ny CPS talohan’io fivoriana faha-376 mantsy milaza fa tokony halalaka ny fandraisan’anjaran’ny daholobe amin’ny fifidianana ary tsy sakana amin’izany ny andrim-panjakana. Nijery an’izay ve ny CES sa nandray ambongadiny ny hetahetan’ny FFM sy Andry Rajoelina ? Antony faharoa nanohanana fa mitombina ny hilaza fa misy tranga tsy azo anoharana, ny ahiahy ny amin’ny mety hampisavorovoro noho ny tsy fisian’ny vahaolana eken’ny rehetra momba ireo kandida telo ireo. Raha izany dia efa tsy raharaham-pitsarana araka ny lalàna no resaka eto fa mifototra amin’ny fiheverana politika. Tranga izay toa mampibaribary fa tsy tena manjary ilay fiaraha-mitantana, fa anjakan’ny olon-dRajoelina ny rafitra misy ato anatin’ny tetezamita izao, dia izao manao valimbabena izao, sady toa miendrika fanomezana noho ny tsingerintaona nahaveloman’i Andry Rajoelina.

Nanamarika moa ny CES fa tsy andraikiny ny manapa-kevitra hampihemotra ny fifidianana. Manana 48 ora ny governemanta handraisana io fanapahan-kevitra io, ny governemanta izay hivory manokana anio tolakandro. Raha toa ka manambara ny governemanta fa ilaina ny fanemorana ny datim-pifidianana noho ilay antony tsy azo ivalozana araka ny nambaran’ny CES, dia hivory sy hifandinika indray aorian’izay ny CENI-T sy ireo manampahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana mba hamaritana ny datim-pifidianana vaovao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT