Anio no tokony hanambara ny governemanta fa mihemotra ny fifidianana noho ny fisian’ny antony goavana tsy azo ivalozana, dia any amin’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana indray ny baolina avy eo satria izy ireo no mametra ny datim-pifidianana, araka ny ambaran’ny tondrozotra.
Dia tsy maintsy hihemotra indray ve izany ny fifidianana, hoy ny olon-tsotra nifanontany omaly hariva vantany vao nahafantatra ny fanapahan-kevitry ny CES hanaiky ny tolo-kevitry ny FFM ny amin’ny hanemorana iray volana ny datin’ny 24 jolay. Fanindroany izany tamin’ity taona ity no hihemotra ny daty. Hoy ny fitenin’ny Frantsay hoe : “jamais deux, sans trois” ka efa misy sahady ny mihevitra fa tsy maintsy mbola hihemotra fanintelony io datim-pifidianana io raha vao tsy voatazona ny amin’ny 24 jolay. Ny sehatra iraisam-pirenena koa dia manahy fa hihemotra, hihemotra foana ny fifidianana raha vao tsy raikitra ny amin’ny 24 jolay. Misy anefa ny mety mahazo aina amin’ny hihemoran’izany na ny tsy hisian’ny fifidianana mihitsy aza. Ireo fanetriben’ny firenena sy tsy manan-katao afa-tsy ny mangoron-karena mandritra ny tetezamita no faly amin’izany, fa raha olona tena mikaroka marina izay mahasoa ny vahoaka Malagasy dia maika hikaroka ny marimaritra iraisana hahafahana manao fifidianana milamina, madio sy mangarahara.
Tsy dia ny daty loatra no inona fa ny fahavononana sy ny fahasahiana hiatrika ny fifidianana, fa na amin’ny 2020 aza vao hisy fifidianana eto. Rehefa mbola misy ny tia fahefana, tia seza, mpikarama an’ady politika, na olon’ny mpanjanatany mamadika ny Malagasy tahaka azy, dia tsy hisy filaminana izany. Mila vonona ny ara-pitaovana, ara-bola, ara-politika. Rehefa mirindra ireo dia tsy tokony hisy olana ny ambiny. Tsy mety koa anefa ny hoe andrasana tena ho feno 100% daholo ny fepetra rehetra vao hiroso, satria tsy misy ny tonga lafatra.
Tsaroana fa tany Etazonia anie nifanolana tamin’ny voka-pifidianana i Bill Clinton sy Georges W Bush e ! Tany Frantsa farany teo, tena ady saritaka ny fifidianana izay filoha hitarika ny antoko mpanohitra dia ny UMP izany. Olona maherin’ny 3.000 no maty taorian’ny fifidianana tany Cote d’Ivoire fa neken’ny sehatra iraisam-pirenena ihany ny maha filoha an’i Alassane Ouattara, avy eo. Marina fa misy ny faneriterena sy tsindry avy any ivelany, maro be koa ny mpamendrofendro, ny mpanatsatso ny mampihorohoro, fa ny Malagasy ihany no tena tompon’ny fanapahan-kevitra farany. Rehefa miray feo fa hoe hatao ny fifidianana dia vita io, fa raha mbola misy be kajikajy sy tia tetezamitatra dia tsy ho vita mihitsy io, ary hitombo ihany ny fahasahiranana. Andrasana hiakatra 10 000 Ariary ve ny litatry ny lasantsy vao hanao fifidianana sy hametraka filoha vaovao eto e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.