Fahatahorana an’i Neny no anton’izao antsojay rehetra misy izao, hoy ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa avy any Ambatolampy. Kandidà ara-dalàna, mahafeno fepetra, manam-pinoana ary matanjaka anefa i Neny, hoy izy, ka vonona hiatrika ny safidim-bahoaka amin’ny 24 jolay 2013 izy. Mandamindamina ny sain’ny rehetra isika izao, hoy Raveloson Constant. Tsy isika intsony izao no pempo ary na ny mpampijaly aza efa mitodika amin’Andriamanitra. Efa tsy resaka filatsahana intsony koa izao no resaka, hoy i Constant satria efa kandida ara-dalàna, neken’ny CES i Neny. Nampahatsiahivina sy nohamafisina tamin’ny Dr Leonardo Simao iraky ny SADC tonga eto izany. Raha ny momba ireo mpanongam-panjakana sy ny namany miisa 109 indray dia ny lalàna iraisam-pirenena mihitsy no mandrara azy ireo tsy ho kandida ary ny lalàna iraisam-pirenena no ambony indrindra amin’ny lalàna, hoy Raveloson Constant. Koa efa mba miasa ao Ambohitsorohitra araka ny voalazan’ny lalàna ve ny “triumvirat” sa mbola Rajoelina no mifantsika ao ?
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.