Politique

Antoko Leader Fanilo Naseho vahoaka ireo kandida solombavambahoaka


  • Alarobia 29 Mey 2013

Raha nanao fifadian-kanina ny tao Ambohitsorohitra ny sabotsy 25 mey 2013 lasa teo dia hafa noho izany kosa no no nataon’ny Antoko Leader Fanilo Antsirabe.

 Nanatontosa fihaonambe niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Distrikan’Antsirabe Voalohany izy ireo ho fampahafantarana ny kandidàn’izy ireo amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny volana septambra ho avy izao. Nambaran’Andriamatoa Radriamanjato David, mpandrindram-paritry ny Antoko ao Vakinankaratra, izay anisan’ireo kandidà amin’io fifidianana io fa vonona ny hitondra ny fanovana izay niadivana teto amin’ny firenena izy ireo ka nanolotra kandidà ho an’ny Distrikan’i Faratsiho sy Antsirabe faharoa ary Antsirabe voalohany. Nanamafy ny fanohanany ny kandidà Hajo Andrianainarivelo izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nanome voninahitra ity fihaonambe ity moa ny Minisitry ny varotra teo aloha, Atoa Rakotonirina Jean Claude sy Atoa Tongavelo Athanase, Minisitry ny fampianarana ambony teo aloha ihany koa, ankoatra ireo olom-boafidy tao amin’ity antoko ity teo aloha.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT