Politique

Rajoelina – Beriziky Mifampitsapa hery


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Tsy mbola nisy toy ity ! Samy mitarika minisitra hivory amin’ny fotoana mitovy saingy amin’ny toerana samihafa ny filohan’ny tetezamita sady kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer.

 Nitarika filankevitry ny minisitra teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha i Andry Rajoelina, raha filankevitry ny governemanta tao amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny an’i Beriziky. Efa nisy filankevitry ny governemanta ny talata saingy nitohy ny alarobia tolakandro izany araka ny fampitam-baovaony. Nampiantso filankevitry ny minisitra koa anefa i Andry Rajoelina, ka dia nizara ireo minisitra omaly. Ireo mpomba an-dRajoelina lasa teny Iavoloha fa ny ambiny rehetra kosa teny Mahazoarivo. Niteraka resabe io tranga io, hoe : f’angaha moa mbola afaka mitarika filankevitry ny minisitra i Andry Rajoelina nefa izy kandida filoham-pirenena, izay didian’ny lalàna hametra-pialana amin’ny asany 60 andro alohan’ny latsa-bato.

Hatry ny omaly anefa dia tsy mbola nisy didim-panjakana milaza fa mihemotra amin’ny daty hafa ny fifidianana fa mbola amin’ny 24 jolay. Mpahay lalàna maro no milaza fa sady tsy manan-kery no tsy misy lanjany ny fivoriana sy fanapahan-kevitra raisin’i Andry Rajoelina aorian’ny datin’ny 24 mey tokony ho efa nametrahany fialana. Te hifampitsapa hery amin’i Beriziky angaha izy. Ny zava-nisy teny Mahazoarivo aloha ankoatra ny fandinihana fepetra hiadiana amin’ny valala sy ny tsy fandriampahalemana, dia miroso ny fanilihana an’i Andry Rajoelina tsy ho filohan’ny tetezamita, amin’ny fandinihana volavolan-dalàna roa dia ny mikasika ny rafitra vaovaon’ny CES sy ny fitantanana ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny tetezamita araka ny voatondron’ny andininy faha-14 ao amin’ny tondrozotra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT