Politique

Filoha teo aloha Zafy homen’ny FAT 4x4, Ratsiraka mipitrapitra


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Manao mizana tsindrian’ila ! Tsy niandry ela ny fangatahan’ny Profesora Zafy Albert ny hanomezana azy fiara tsy mataho-dalana, zony amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy.

 Ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola mihitsy no nitondra io hetaheta io teo anivon’ny filankevitry ny minisitra omaly, ary teo no ho eo ihany ny filohan’ny tetezamita sady kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina dia nanome toromarika ity minisitra dia mba hanafainganana ny fanatanterahana ny fanomezana io fiara io. Aza izay ho fandraisan’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka io fanapahan-kevitra io. Mety tsy hialona ny fahazoan’ny Pr Zafy fiara 4x4 izy, fa kosa ho tezitra amin’i Andry Rajoelina tsy nanisy tohiny ny fangatahany hatry ny ela ny hanomezana trano azy, izay zony amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, ho solon’ny azy etsy Mangarivotra-Faravohitra nasiana biraon’ny SAMIFIN sy fitsarana ny ady amin’ny kolikoly amin’izao. Sa noho ny amiraly Ratsiraka adverseran’i Andry Rajoelina no tsy niraharahana ny fangatahany ?

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT