• Alarobia 24 Jolay 2013
Politique.Andry Rajoelina Niverina mangingina avy any Tanzania

Tafaverina an-tanindrazana omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny filohan’ny tetezamita sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina. Telo no re fa tokony ho faharetan’ny diany saingy dia nafoheziny ho 24 ora ihany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Jolay 2013
Politique.CT Thierry Rabary “Tsy fotoana fambolena korontana intsony izao”

“Tsy fotoana fambolena korontana eto amin’ny firenena intsony izao fa efa fotoanan’ny fitoniana raha tiana ny hahatanteraka ny fifidianana soa aman-tsara”. Io no nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita Thierry Rabary raha naneho ny heviny mikasika ny hetsika notarihin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena tetsy Analakely izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Jolay 2013
Politique.Kolo Roland Filoham-pirenena sy lefiny 6 no indray fidiana

Ho an’ny loholona Arema teo aloha Kolo Roland dia ny fanenana ny fahefan’ny filohan’ny Repoblika no vahaolana mety amin’ny firenena. Raha ny sosokeviny dia zaraina amin’ny filoha lefitra isam-paritany ny fahefana mivangongo eo amin’ny filoham-pirenena mba tsy hahatonga ity farany hanao fanaparam-pahefana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Jolay 2013
Politique.Fifidianana solombavambahoaka Kandida ao Fandriana ny minisitra teo aloha Toto Raharimalala Lydia

Nihazakazaka nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ireo mpanao politika ao amin’ny Distrikan’i Fandriana ny andron’ny 15 jolay 2013 fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Jolay 2013
Politique.Andry Rajoelina Nila vonjy any Tanzania

Nihazo an’i Dar-es-Salaam renivohitr’i Tanzania omaly ny filohan’ny tetezamita sady kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina. Raha ny nambarany nialoha ny niaingany dia hifampidinika amin’ny filoha tanzanianina sady filoha am-perinasan’ny Troika-SADC, Jakaya Mrisho Kikwete, hikatsaka vahaolana hialana amin’izao fikatsoan’ny raharaham-pirenena izao ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Jolay 2013
Politique.«Collectif des Candidats» Hanolotra ny tolokeviny eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo

Araka ny fangatahan’ny fitondrana tetezamita dia nandinika naharitra ny mikasika raharaham-pifidianana sy ny soso-kevitra amin’ny fanoloana an’ireo mpikambana eo anivon’ny CES na ilay Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny «Collectif des candidats» izay nivory nandritra ny adim-pamantaranandro maro tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny zoma 19 jolay.

Hamaky ny tohiny
FTT