Tafaverina an-tanindrazana omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny filohan’ny tetezamita sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina. Telo no re fa tokony ho faharetan’ny diany saingy dia nafoheziny ho 24 ora ihany.
Nangingina tsy nandrenesana akony na teto an-toerana na avy amin’ny fiadidiana ny Repoblikan’i Tanzania ny diany, na nambaran’i Andry Rajoelina talohan’ny nialany teto ny alatsinainy 22 jolay fa hihaona sy hifampidinika amin’ny filoha tanzanianina sady filohan’ny Troika-SADC Jakaya Kikwete no antondiany any. Fanontaniana maro no aterak’izany, toy ny hoe : nisy sa tsy nisy ny fihaonana ? Fanaon’i Andry Rajoelina ny mitafa amin’ny mpanao gazety mitatitra ny akon’ny diany rehefa tonga. Rariny rahateo izany satria volam-bahoaka no lany amin’izany. Nangina be anefa izy teto na ny haino amanjerim-panjakana, eny fa na ny azy manokana aza tsy nanisy resaka. Fa inona no nitranga tany ? Eo indrindra isika izao !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.