Politique

Andry Rajoelina Nila vonjy any Tanzania


  • Talata 23 Jolay 2013

Nihazo an’i Dar-es-Salaam renivohitr’i Tanzania omaly ny filohan’ny tetezamita sady kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina. Raha ny nambarany nialoha ny niaingany dia hifampidinika amin’ny filoha tanzanianina sady filoha am-perinasan’ny Troika-SADC, Jakaya Mrisho Kikwete, hikatsaka vahaolana hialana amin’izao fikatsoan’ny raharaham-pirenena izao ny tenany.

Mbola tsaroan’ny maro fa rehefa tafaverina avy any Vatikana nihaona tamin’ny Papa François ny 02 mey 2013, avy eo nitsoriaka tany Tanzania ny 03 mey 2013, nihaona tamin’ity filoha Jakaya Kikwete ity i Andry Rajoelina no nihazakazaka teny Ambohidahy nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany teny amin’ny CES na ilay Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, na dia efa dilan’ny fe-potoana voatondron’ny lalàna aza izany. Nivanaka sy gaga ny rehetra teo anatrehan’izany, i Andry Rajoelina rahateo talohan’io dia efa nanambara ho ren-tany ho ren-danitra fa hiandry amin’ny 2018 vao hirotsaka hofidiana. Koa inona indray no zava-tsy ampoizina hambarany aorian’izao diany tampoka any Tanzania izao ? Sa hila vonjy amin’ny filoha Kikwete hiaro ny maha kandida azy, manoloana ny fitakian’ny GIC-M ny tsy maintsy hialany ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT