Politique

«Collectif des Candidats» Hanolotra ny tolokeviny eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Araka ny fangatahan’ny fitondrana tetezamita dia nandinika naharitra ny mikasika raharaham-pifidianana sy ny soso-kevitra amin’ny fanoloana an’ireo mpikambana eo anivon’ny CES na ilay Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny «Collectif des candidats» izay nivory nandritra ny adim-pamantaranandro maro tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny zoma 19 jolay.

Tapaky ny mpivory tamin’izany fa fanovana ifotony mihitsy no hatao ka tsy hisy haverina ao intsony ireo mpikambana esorina. 11 ireo mpikambana heverin’ny «Collectif des candidats» fa handrafitra ny CES vaovao ka mpitsara ny 6, hanana solontena 1 isaky ny Faritany 6 ary samy hafa fiaviana izy ireo, ny 3 dia administratera sivily, ny 2 mpampianatra lalàna. Hanampy azy ireo ny mpanaramaso 4 sy ny solontena 1 avy, avy amin’ireo kandidà ho voatana.

Hosoloina tanteraka mantsy ilay lisitr’ireo kandidà, hoy ry zareo «Collectif des candidats» ireto ka ireo izay te hanala ny firotsahany dia haverina ny vola nataony antoka. Izay mandika lalàna dia tsy hampidirina amin’ny lisitra ara-dalàna. “Ireo kandidà 3 efa tsy lanin’ny vavonin’ny Iraisam-pirenena moa dia efa tsy kaonty aminay”, hoy i Voninahitsy Jean Eugène nitondra fanazavana, fa sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana ireo nefa ny anay io fifidianana io ihany no mahamaika anay fa lalan-tokana ivoahana amin’ny krizy. Haterinay eny Ambohitsorohitra sy eny Mahazoarivo ity tolokevitray ity araka ny fangatahan-dry zareo, hoy izy nanohy ny fanazavana.

Raha ny mikasika an’ireo kandidà mikasa ny hitarika olona hidina eny an-dalambe dia niera taminay namany rehetra izy ireo ka malalaka amin’ny safidiny avy izy ka tsy hifampitsikera ny amin’izany izahay, hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Raha ilaina aza, hoy izy ny fanerena hanatanterahana ny fifidianana dia ankasitrahanay izany fidinana an-dalambe izany. Ny fanirianay “Collectif des candidats”, hoy izy namarana ny teniny, dia ny hialan’i Andry Rajoelina mialoha tsy ho anisan’ireo kandidà intsony.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT