Ho an’ny loholona Arema teo aloha Kolo Roland dia ny fanenana ny fahefan’ny filohan’ny Repoblika no vahaolana mety amin’ny firenena. Raha ny sosokeviny dia zaraina amin’ny filoha lefitra isam-paritany ny fahefana mivangongo eo amin’ny filoham-pirenena mba tsy hahatonga ity farany hanao fanaparam-pahefana.
Tsy tendrena anefa ireo filoha lefitra ireo fa fidian’ny vahoaka mivantana ihany koa ary atao mitovy amin’ny filoham-pirenena ny faharetan’ny fotoam-piasany. Tsy filoha iray izany no fidiana rehefa hifidy filoham-pirenena fa miampy filoha iray isam-paritany. “Ny lafiny fampandrosoana sosialy sy toekarena no tena iandraketan’ireo filoha lefitra izay manana fahefana mamorona tetikasam-pampandrosoana ho an’ny faritany iadidiany. Haingana sady misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka ny asan’ny fanjakana amin’io. Ny mampiavaka azy ireo amin’ny lehiben’ny Faritra dia noho ireto farany mpanatanteraka fotsiny”, hoy i Kolo Roland.
Eo ambany fiadidian’ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny filohan’ny Repoblika ireo filoha lefitra. Tsy misy koa ny fanendrena praiminisitra fa ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny filohan’ny Repoblika no misahana ny andraikitry ny lehiben’ny governemanta, izany hoe sady lehiben’ireo Minisitra ihany koa. Na dia miaiky ny mety hisian’ny fanambarana ny fahefana aty amin’ny fanjakana foibe aza ny tompon-kevitra dia milaza kosa fa mahomby kokoa ity fomba fitantanana vaovao ity. Sady mifanara-maso amin’ny asa sahaniny ny filoha sy ireo filoha lefitra araka ny fanavazany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.