Nihazakazaka nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ireo mpanao politika ao amin’ny Distrikan’i Fandriana ny andron’ny 15 jolay 2013 fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy.
Kandida 10 no nametraka izany talohan’ny daty 15 jolay fa niampy 7 izany tao anatin’ny iray andro monja. Ireto avy ireo antoko na fikambanana nandrotsaka kandida ao Fandriana : Antoko fampandrosoana an’i Madagasikara (AFM), Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, 3Fa.Ma, Ny Fanahy maha Olona, Zanak’i Dada, F.F.F, Mahaleotena Samuel Lala, Mahaleotena Fenitra, Mahaleotena Fandriana Mandroso, Mahaleotena EMMA, Antoko MDM, Mahaleotena Rakinga, Vondrona politika Kongresy ho an’ny Malagasy Liam-pivoarana (KML), Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM), Fikambanana Hiaraka Isika, Mahaleotena Fivoy ary ny Mahaleotena Taratry ny Hoavy. Mbola misy ireo antoko politika tsy nandrotsaka ny antontan-taratasiny toy ny TGV, Leader-Fanilo, Arema, MFM sy ny hafa. Mahatratra 22 kosa amin’izao fotoana izao ireo kandida efa nandrotsaka ny taratasy firotsahan-kofidiana ao amin’ny Distrikan’Ambositra. Mbola mitohy ny fandraisana ireo antontan-taratasy hatramin’izao.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.