Politique

CT Thierry Rabary “Tsy fotoana fambolena korontana intsony izao”


  • Alarobia 24 Jolay 2013

“Tsy fotoana fambolena korontana eto amin’ny firenena intsony izao fa efa fotoanan’ny fitoniana raha tiana ny hahatanteraka ny fifidianana soa aman-tsara”. Io no nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita Thierry Rabary raha naneho ny heviny mikasika ny hetsika notarihin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena tetsy Analakely izy.

Raha maniry ny hisian’ny fifidianana marina isika, hoy ity CT ity dia fitoniana no tokony hipetraka tsara mialoha sy mandritra ary aorian’izany. Ny mifanohitra amin’izay anefa no zava-mitranga ankehitriny, hoy ny CT Thierry Rabary. Ny famokarana kely mba hataon’ny vahoaka indray no potehina, korontanina ireo olona tokony hiasa…Tokony hiantefa manokana any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hetsika tahaka ireny, hoy ihany i Thierry Rabary fa tsy fambolena korontana eo amin’ny samy Malagasy. Hetsika izay mitaky ny mba hamelan’izy ireo malalaka ny hamahantsika ny olantsika malagasy ka ny fanampiana ny mba hahatanteraka ny fifidianana no tokony hataon’izy ireo fa tsy sakantsakanana maro samihafa.

Mikasika ny fandravana ny CES indray na ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana dia notsindrian’i Thierry Rabary fa raha tsy fifampitokisana no misy dia fanatsarana no mila atao fa tsy fandravana. Fandravana izay nambarany fa hitondra antsika hihemotra hatrany tsy hahatanteraka ny fifidianana araka ny fotoana ilana azy, antony vao mainka hahatara ny fampandrosoana ny firenena. Farany dia nambaran’i Thierry Rabary fa tokony ho môdely sy haneho fihetsika hirosoana mankany amin’ny fifidianana ireo filohan’ny antoko maro samihafa eto amintsika fa tsy hanao fihetsika mampalahelo tahaka izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT