• Zoma 23 Aogositra 2013
Vondrona Afrikanina
Manao hazakazaka arahin-tosika

Nialoha lalana ny famoahan’ny CENI-T ny datim-pifidianana omaly ny fanambarana avy amin’ny Vondrona Afrikanina, izay mampitandrina ireo rehetra mety hanembantsembana ny zotram-pifidianana. Tamin’ny alalan-dRamatoa Nkosazana Dlamini-Zuma, filohan’ny Vaomiera Afrikanina no namoahana izany fanambarana izany, izay milaza fa mifanaraka tsara amin’ny lalàna eto Madagasikara sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny famoahana ilay lisitra vaovaon’ny kandida nataon’ny CES.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Aogositra 2013
Emma Roseline
Nailika satria manelingelina tombontsoa

Nivoaka tamin’ny fahanginany ramatoa Rasolovoahangy Emma Roseline, izay anisan’ireo kandida 8 nailiky ny CES vaovao. Raha ny heviny dia noho ny fahafehezany ny tontolon’ny fitrandrahana solitany izay mety hanelingelina tombontsoan’olona maro raha lany filoham-pirenena izy no antony nanilihana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Aogositra 2013
Andry Rajoelina
Anaovan’ireo mpiaradia taminy angaredona

Mangina tsy andrenesam-peo ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina taorian’ny nanilihan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana azy tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Manaiky matoa tsy miteny, hoy ny oha-pitenenana Malagasy. Izay tokoa ve anefa no izy ?

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Aogositra 2013
Antoko Taniko Madagasikara
Tokam-po ka tsy mahalala afa-tsy ny kandidà Lalao Ravalomanana

Tsy manaiky ny faniliana an’i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà intsony izahay antoko Taniko Madagasikara sampana Ambohidratrimo, hoy ny filoha mpitarika eny an-toerana Ralalatiana Vololoniaina Charline.

Hamaky ny tohiny
FTT