Vondrona Afrikanina

> Manao hazakazaka arahin-tosika


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Nialoha lalana ny famoahan’ny CENI-T ny datim-pifidianana omaly ny fanambarana avy amin’ny Vondrona Afrikanina, izay mampitandrina ireo rehetra mety hanembantsembana ny zotram-pifidianana. Tamin’ny alalan-dRamatoa Nkosazana Dlamini-Zuma, filohan’ny Vaomiera Afrikanina no namoahana izany fanambarana izany, izay milaza fa mifanaraka tsara amin’ny lalàna eto Madagasikara sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny famoahana ilay lisitra vaovaon’ny kandida nataon’ny CES.

Matihanina amin’ny asany ny CES, hoy ny fanambarana, ary mendri-piderana ihany koa ny toetra nasehon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina amin’ny fahavononany hamarana amin’izay ny tetezamita. Hentitra Rtoa Nkosazana Dlamini-Zuma nilaza fa hiharan’ny sazy avy hatrany tahaka ny fanagiazana ny kaontim-bola sy ny tsy fahafahana mivezivezy any ivelany ny olona manana eritreritra na manao fihetsika mety hanohintohina ny zotram-pifidianana. Notsipihany mazava mihitsy ny hoe fanohintohinana ny filaminam-bahoaka na fihetsika hafa mety hahavoasazy araka ny lalàna no tian-kambara amin’ilay hoe manembatsembana ny zotram-pifidianana eto. Niantso ny sehatra iraisam-pirenena mba hamerina avy hatrany ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana mba hahafahana manatanteraka ny fifidianana Rtoa Nkosazana Dlamini-Zuma ary nanome toky fa efa eo am-pandinihana ny fomba handefasana mpanaramaso ny fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Afrikanina, ary tokony hanao tahaka izany koa ny mpiara-miasa amin’i Madagasikara avy any ivelany hafa. Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny vondrona iraisam-pirenena, tsy te hahalala izy ireo fa tsy maintsy vita ny fifidianana ka izay rehetra manakantsakana ny fanatanterahana an’izany dia hosaziana. Mazava be ny resaka eto fa lasibatra voalohany ny ankolafy Ravalomanana izay mikasa hamory ireo mpanara-dia azy aorian’ny fahavitan’ny fanadinana bakalôrea, ary rehefa tena dinihana ity fanambarana ity dia narafitra mba hampitahorana mihitsy ny ankolafy Ravalomanana sy hampanginana azy tanteraka tsy hanakiana intsony ny raharaham-pifidianana. Mahazo aina koa ny mpitandro filaminana, noho ity fanambarana ity satria tsy voakiana na bedy ho tsy manaja zon’olombelona intsony rehefa mandrava fivoriana politika na hetsika fanehoan-kevitra, izay zon’ny olom-pirenena, na aiza na aiza toerana hanaovana izany, satria efa ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no milaza fa hosaziana sy hampiharana ny lalàna ireo rehetra manembantsembana ny fanatanterahana ny fifidianana.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT