Mikasika ny tot-draharaham-pirenena ankehitriny, manoloana ny faniliana an’i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho ao anatin’ny lisitr’ireo kandidà hifaninana ho filoham-pirenena amin’ny Repoblika faha-4, dia nilaza mazava ny MCT Ravelonanosy Mamy Tiana filohan’ny vondrona parlemantera ankolafy Ravalomanana, fa ny hoe resy aloha tsy resy satria fa dia noezahana tokoa noresena tamin’ny faniliana an’ity kandidà ity. Faharoa : tsy resy ihany koa fa mbola ao anatin’ny tolona tsara izay ny ankolafy Revalomanana ary miezaka miaro izany. Aza adinoina, hoy ity MCT ity, fa noezahina noresena tamin’io koa ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2001 nefa rehefa niray hina ny vahoaka sy ny mpitarika dia tonga tamin’ny fandresena soa aman-tsara. Koa miantso fotsiny ny rehetra aho hoe : tena ilaina ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina ahafahana manohy ny tolona. Manaraka izany, dia hoe : ahoana ny fandrosoana amin’ny tolona ? Tsy maintsy ny firotsahana an-dalambe no hifaran’io fa tsy misy lalana azo ihoarana ankoatran’io. Fa efa nanao izay hisarahana ny CES ka ny dikan’izay dia miainga amin’ny hetsika vaovao indray no hitondra ny tolona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.