Tsy manaiky ny faniliana an’i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho kandidŕ intsony izahay antoko Taniko Madagasikara sampana Ambohidratrimo, hoy ny filoha mpitarika eny an-toerana Ralalatiana Vololoniaina Charline.
Aminay dia izy no olona ho filoham-pirenena tsy ho ela. Nahoana moa ny CES no nanaiky an-tsakany sy an-davany ny maha kandidà an’i Neny teo aloha ary efa tonga hatrany amin’ny fanaovana antsapaka notarihan’ny CENI-T ny laharan’ireo kandidà hatao anaty biletà tokana, vetivety eo indray dia hoe tsy ekena ny filatsahan’izatsy sy izaroa ka nesorina tsy ho mpifaninana intsony izy ireo ? Aminay dia olona madio i Neny Lalao Ravalomanana, olon’Andriamanitra ka mendrika ny hanarina ity firenena efa nalatsaka anaty lavaka mangitsokitsoka ity. Izahay antoko Taniko Madagasikara Ambohidratrimo dia tokam-po toy ny siny ka tsy mahalala afa-tsy izy ihany no kandidà hofidiana, hoy ity mpanao politika ity. Mila fahamarinana eto Madagasikara, hoy Ralalatiana Vololoniaina Charline fa tsy izao rehetra efa nanota fady rehetra izao indray no nekena ho kandidà.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.