Andry Rajoelina

> Anaovan’ireo mpiaradia taminy angaredona


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Mangina tsy andrenesam-peo ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina taorian’ny nanilihan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana azy tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Manaiky matoa tsy miteny, hoy ny oha-pitenenana Malagasy. Izay tokoa ve anefa no izy ?

Na eo aza anefa izay fahanginany izay dia tsy manakana ny tsikera sy fanenjehana azy, ary ireo mpiara-dia taminy taloha ihany no lohalaharana amin’izany. Omaly fotsiny, ohatra, dia samy namantsipantsika azy na ny mpanao gazety Onitiana Realy na ireo lehiben’ny Faritra niisa fito nesorina tamin’ny toerany farany teo. Nandritra ny fandaharana “Demokrasia Mivantana” tao amin’ny Radio Plus, omaly antoandro, dia tsy nihambahamba i Onitiana Realy nanondro an’i Andry Rajoelina ho tompon’antoka amin’izao krizy tsy mivaha eto amin’ny firenena izao. Nampiantso mpanao gazety koa ireo lehiben’ny Faritra voailika ka nanao vaky bantsilana fa i Andry Rajoelina mihitsy no nanala azy ireo, ary natao fitaovana tamin’izany ny minisitry ny atitany, fitsarana ary ny serasera.

Ny Me Maminirina Josoa Eugène, lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania teo aloha, iray amin’ireo voailika, aza moa nilaza fa dia tetika hampandresena kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy no antony nanoloana azy ireo. Araka ny filazany dia fianakavian’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine ilay lehiben’ny Faritra vaovao nasolo azy. Nambaran’ny Me Maminirina Josoa Eugène koa fa hirotsaka hofidiana (depiote) ao Ambatofinandrahana ramatoa minisitra, ao Manandriana ny vadiny ary ao Ambositra ny vinantony. Ailik’i Andry Rajoelina tsikelikely ireo mpanohana sy mpiara-dia taminy nanongana ny fitondrana Ravalomanana. Nivadi-dela ireo olona ireo ankehitriny ary dia manao ampamoaka, ka dia miboraka tsikelikely ihany ireo tsiambaratelon’izao krizy izao.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT