Emma Roseline

> Nailika satria manelingelina tombontsoa


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Nivoaka tamin’ny fahanginany ramatoa Rasolovoahangy Emma Roseline, izay anisan’ireo kandida 8 nailiky ny CES vaovao. Raha ny heviny dia noho ny fahafehezany ny tontolon’ny fitrandrahana solitany izay mety hanelingelina tombontsoan’olona maro raha lany filoham-pirenena izy no antony nanilihana azy.

Manana ny mari-pahaizana PHD amin’ny Géophysique sy ny Pétrophysique mantsy ny tenany ary izy no vehivavy manana diplaoma ambony indrindra amin’ireo sehatra ireo erantany. 25 taona niasana tamin’ny fitrandrahana solitany izy ary tamina orinasa goavana tany Etazonia no nakany traikefa. Raha ny filazany dia “raha olona tsy mahafehy ny tontolon’ny solitany amin’ny antsipirihany sady mora tambazana vola sy tombontsoa no lany filoha eo dia hanjakan’ireo orinasa vahiny ny solitanintsika izay mahatratra 58 miliara barila no efa azo trandrahana avy hatrany amin’izao”. Raha ny lalàna dia tokony hanomboka amin’ny 2014 ny fitrandrahana solitany eto Madagasikara rehefa tapitra tamin’ny 2012 ny fe-potoana fanaovana fikarohana. Vonona hanambitamby ny mpitondra amina vola an-tapitrisany dolara mihitsy ny vahiny hahazoana migoka ny solitanintsika ary tsy vitsy no roboka amin’izany, hoy izy. Milaza ho mahalala olona ambony mahita tombontsoa amin’ity resaka ity i Roseline Emma saingy tsy mety nanonona anarana.

Raha ny fanazavan’ny mpisolovavany, ny Maitre Raharison Hubert dia ilay tsy fahafenoana ny enim-bolana nipetrahana teto Madagasikara no nanesorana ny olona arovany. Ny taratasy rehetra am-pelatanana miampy ny dosie momba ny orinasany anefa dia manambara fa eto Madagasikara no monina i Roseline Emma nanomboka tamin’ny taona 2007 saingy mivezivezy matetika any ivelany. Tsy nomena fotoana nitondrana ny fiarovantena momba io fiampangana azy io anefa izy satria raha tokony ho tamin’ny 16 aogositra no fe-petoana ambaran’ny lalàna fa anaterana ilay porofo maha mponina marina azy teto an-toerana dia efa tamin’ny 20 aogositra vao naharay ny taratasy fampahafantarana ny mpisolovavany. “Rehefa nanontany ny antony izahay dia nolazaina fa nalefa SMS ilay fampahafantarana nefa eo anatrehan’ny lalàna dia izay zavatra voasoratra ihany no manankery”, hoy ny Maitre Raharison Hubert. Na eo aza anefa ny fahatsapany io fanilihana azy io dia tsy hipetra-potsiny akory i Emma Roseline.

Miantso ny FFKM sy ireo Raiamandreny ara-drazana ny tenany sy ireo mpiaradia aminy handamina ny loza mitatao amin’ny firenena ankehitriny. Kely finoana amin’ny hisian’ny vahaolana amin’ny alalan’ny fifidianana tanterahana amin’izao zava-misy izao mantsy ny tenany. Ankoatra izay dia manetsika ny fikambanana EMMA koa ny tenany hanatanteraka ireo asa fampandrosoana marolafy izay nahazoan’ny filohany izay ramatoa Emma Roseline ihany, famatsiam-bola be avy any ivelany. Ampahany amin’ireo notanisaina omaly ny vola 800 tapitrisa dolara hamatsiana herinaratra, ao koa ny fanamboaran-dalana manerana ny Nosy, ny ady amin’ny andiam-balala. Tsy nanisy resaka kosa na ny kandida na ny fikambanany, hoe hanohana kandida hafa ve raha raikitra ihany ny fifidianana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT