CT Thierry Rabary

> Tsy ny CES no olanay


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013


Tsy ny CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana velively no olan’ny antoko Tanora Malagasy Vonona (TGV), araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Thierry Rabary na dia nisy aza ny filazan’ireo parlemantera TGV ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo. Aminy dia rafitra efa napetraka araka ny tondrozotra ny CES sady fitsarana mahefa. Tsotra ny olana, hoy ity CT ity, dia ny fisiana olona izay nametraka fitoriana milaza ny tsy maha ara-dalàna ny kandida sasany tamin’ireo nilatsaka hofidiana ka nitady hevitra nanao izay namotehana azy ireo tany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Zon’izy ireo ny mitory saingy tsy tokony hanao izay famerezan-jo ireo vahoaka te hifidy ny kandida mba tiany sy maminy izy ireo na terena hifidy olona efa nivarotra tanindrazana, manana olana amin’ny fitsarana, efa nigadra …Tsy miaro na iza na iza ny TGV, araka ny fanazavan’i Thierry Rabary ihany, saingy miady ho an’ireo vahoaka tadiavina hoverezin-jo. Nambaran’ity CT ity fa tena mampalahelo amin’ny zava-mitranga eto amintsika ny fanaovana tsinontsinona ireo firehana efatra nefa fifidianana malalaka, mangarahara ary eken’ny rehetra no tadiavina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT