• Talata 17 Septambra 2013
“Fihavanana Tour”
Nandeha môtô hatrany Mananara Avaratra i Roland Ratsiraka

Nandray ny “Fihavanana Tour” ny Distrikan’i Mananara Avaratra ny sabotsy 14 septambra teo. Nandritra izay no nahatongavan’Atoa Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko MTS sady kandida ho filoham-pirenena, nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’i Mananara Avaratra tao amin’ny kianja monisipaly Ambalampenja.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Septambra 2013
Zafilahy Stanislas
Nanao «révélations» maromaro

Rehefa reraky ny mandà dia manaiky, hoy i Zafilahy Stanislas omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. «Révélation» maromaro no nambaran’ity mpitaritolona ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity tamin’io omaly io.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Septambra 2013
Marc Ravalomanana
Miomana ho avy alohan’ny propagandy

Nahitsy sady nafonja ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny sabotsy 14 septambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Septambra 2013
Ankolafy Ravalomanana
Tsy hitazam-potsiny ny fanapotehana ny firenena

Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 dia tanjona napetraky ny vondron’olona sasany avy eto an-toerana sy any ivelany ny hanapotika tanteraka izany anarana Ravalomanana izany, ary hahazo ny anjara tandrify azy ihany koa ireo rehetra miara-dia aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Septambra 2013
Mahajanga
Edgard Razafindravahy kandida hiady amin'ny "herin'ny maizina"

Tany Mahajanga no nanohizan'ny kandida Edgard Razafindravahy ny fitsidihany tamin'ny sabotsy teo. Ity no fivoahana voalohany nataony tao aorian'ny fanovana ny lisitry ny mpilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
FTT