• Sabotsy 14 Septambra 2013
Andriamampianina
Rava ny fiandrianam-pirenena

«Tsy manana izany fiandrianana izany intsony ny firenena Malagasy amin’izao fotoana raha ny trangan-javatra niseho tato ho ato no jerena», hoy Atoa Andriamampianina. Nilaozan’ny tantara isika ka miverina amina endri-panjanahana vaovao indray amin’izao fotoana, hoy ity mpandinika raharaham-pirenena ity.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Septambra 2013
«Collectif des Pro-Marc Ravalomanana»
Manohitra ny fifidianana atao amboletra

Manao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy fikambanana ary antoko politika manodidina ny fifidianana ho avy. Ho an’ny «Collectif des Pro-Marc Ravalomanana» izay hivondronan’ireo fikambanana nivoaka avy ao amin’ny hetsika Magro sy ireo olon-tsotra mpitaky ny ara-dalàna hatramin’izay, izay nanao fanambarana tetsy amin’ny Kamoula Analakely omaly, fa ry zareo dia manohana ny fotokevitra sy ny fomba fitantanan’ny filoha Marc Ravalomanana ny fitondrana ary hatreto dia mbola matoky azy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Septambra 2013
Fanotofana tany tsy ara-dalàna
Hanao bemidina miaraka amin’ny CST Raholdina ny Hafari Malagasy

Nody ventiny sahady ny fiaraha-miasanay miaraka amin’ny CST Naivo Rahodina, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly tetsy amin’ny Lapan’ny CST Anosikely noho ny fahasahiany mandray andraikitra mijery sy mihaino ireo fangatahan’ny vahoaka nentinay teo aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Septambra 2013
Ihorombe
Kandida depiote ny lehiben’ny Faritra

Mafana ny rivotra politika any Ihorombe, indrindra ao Ihosy renivohitry ny Faritra, taorian’ny nahafantarana fa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ny lehiben’ny Faritra am-perinasa, Atoa Rakotoarimavo Louis Joseph fantatry ny maro amin’ny anarana Ranary.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 14 Septambra 2013
Randrianarimalala Julien
Miandrandra fampihavanana tena izy eo amin’ny samy mpanao politika

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nilaza ny heviny tao Ambositra omaly zoma 13 septambra Atoa Randrianarimalala Julien, mpandrinda ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra sady mpanolotsainan’ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Septambra 2013
Dinam-pihavanana - CCI IVato
Ny mpikambana FFM sy ny mpanotrona no betsaka

Vitsy ireo kandidà tonga nanatrika an’ilay fivoriana fanaovan-tsonia ny Dinam-pihavanana ho an’ny fitoniana iombonan’ireo mpilatsaka hofidina ho Filoham-pirenena, nokarakarain’ny FFM na Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy teny amin’ny CCI Ivato omaly alakamisy.

Hamaky ny tohiny
FTT