• Alarobia 18 Septambra 2013
Marc Ravalomanana
Miantso ny firaisankinan’ireo mpomba azy

Mateti-piavy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Taorian’ny nanambarany ofisialy, ny sabotsy teo, fa hanohana 100% ny kandida Robinson Jean Louis ny ankolafy Ravalomanana tarihiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, dia niditra nivantana nitondra fanazavana tamin’ireo mpomba azy tao Brickaville izy omaly, raha nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana ao an-toerana ireto farany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Septambra 2013
Naika Eliane
Niala tsy ho CST intsony

Nampanontany tena ny mpanara-baovao politika ny resaka nandeha fa hoe nametra-pialana tsy ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita intsony Rtoa Naika Eliane voatendry avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Septambra 2013
Distrikan’Antsirabe I
Tafakatra 14 ireo kandida depiote

Tafakatra 14 ankehitriny ireo kandidà hifaninana ho solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe voalohany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Septambra 2013
Rarison Hilarion
“Diso lalana ianao tsy mankato ny Prezidà Ravalomanana”

Nizotra an-tsakany sy an-davany toy ny fahita andavanandro ny tolona tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly 16 septambra ary nihoatra noho ny andro alatsinainy mahazatra aza ny isan’ny olona tonga.

Hamaky ny tohiny
FTT