Marc Ravalomanana

> Miomana ho avy alohan’ny propagandy


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013

Nahitsy sady nafonja ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny sabotsy 14 septambra lasa teo.

Nivantana ny resaka ary nambarany tamin’ireo mpitolona fa tsy maintsy hanohana kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny ankolafy tarihiny dia ny Dr Jean Louis Robinson izany. Handray anjara amin’ny fifidianana isika mba tsy hamelana an-dry zareo mpanongam-panjakana ho lany fotsiny amin’izao. Ataon’izy ireo mihitsy ny handraisana fahefana araka izay azo atao koa “tsy maintsy sakanantsika izany”. Rehefa mandray anjara amin’ny fifidianana isika, hoy izy, dia fantatro fa ny ankolafy tarihiko dia tsy matahotra fifidianana ary efa ela isika no niandry izany. Nolazainy tamin’ny vahoaka fa amin’ny maha mpitsabo an’ny Dr Jean Louis Robinson ity dia afaka ny hanasitrana ny maharary ny Malagasy izy, ary nohamafisiny fa fantany tsara ity kandidà efa minisitry ny fahasalamana ary efa minisitry ny fanatanjahantena nandritra ny fitondrany. Anisan’ny antony nambaran’ny filoha ny resaka nifanaovany tamin’ireo vondrona iraisam-pirenena izay mbola matoky azy ka nangataka ny hanohanany kandidà mba tsy ho ny ankolafy Ravalomanana no ho sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana satria efa mangetaheta izany ny vahoaka malagasy, ka dia niroso tamin’ny izay fanapahan-kevitra izay ny tenany.

Nohamafisin’ny Troika-SADC nivory tany Windhoek renivohitr’i Namibia tamin’ny alarobia lasa teo, ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana sy ny tsy maintsy hodian’ireo sesitany politika rehetra ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Nametraka fepetra mazava ny tenany ho tambin’ny fandraisan’anjaran’ny ankolafy tarihiny amin’ny fifidianana ho avy dia ny hodiany hanao ny fampielezan-kevitry ny kandidàny ka dia ho hita eo indray, hoy izy ny ataon’ireo mpitondra ireo, satria tsy vao voalohany akory no nilazana fa mody tsy misy fepetra izy. Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny hotely Colbert ny kandida Dr Jean Louis Robinson omaly dia nanome toky fa hanao izay hampodiana nyfiloha teo aloha an-tanindrazana, ary sitrany raha migadona eto mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izy hitarika ny fampielezan-keviny. Niangavy ny mpitolona moa ny tenany mba hanarahana hatrany ny toromarika rehetra izay omeny fa tsy hifanipaka toy ny valala an-karona. Horakora-pifaliana tanteraka no nandraisan’ny mpitolona tao amin’ny Magro ity vaovao nampitain’ny filoha Ravalomanana ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT