Ankolafy Ravalomanana

> Tsy hitazam-potsiny ny fanapotehana ny firenena


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013

Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 dia tanjona napetraky ny vondron’olona sasany avy eto an-toerana sy any ivelany ny hanapotika tanteraka izany anarana Ravalomanana izany, ary hahazo ny anjara tandrify azy ihany koa ireo rehetra miara-dia aminy.

Isan-karazany ny paikady natao mba handrerahana sy hanakiviana ny Zanak’i Dada. Natao ny fisamborana, ny fanagadrana, ny fandrahonana, nisy ihany koa ny fampizarazarana tamin’ny alalan’ny vola be sy ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra. Nisy ny fotoana saika efa natao maimaika ny fifidianana, avy eo dia nitarina indray ny tetezamita. Nitovy foana ny tanjona tao anatin’izany dia ny tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany mandray anjara anatin’ny fifidianana na dia efa nisy aza ny tondrozotra, ka natao ny fiaraha-mitantana dia tsy afa-nihetsika firy ny ankolafy Ravalomanana tany anaty andrim-panjakana tany ary tsy nety tafody an-tanindrazana i Dada. Natao ny fomba rehetra nahafahana nanilika an’i Lalao Ravalomanana tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tafiditra tao anatin’ilay paikady hanakiviana ny Zanak’i Dada io izay efa nanantena mafy fa vita ny baolina raha vao i Neny no kandida. Tsy takona afenina fa nisavorovoro ny ankolafy Ravalomanana taorian’ny nanilihana an’i Neny, ary herinandro lasa izay nandritra ny fihaonana tany Afrika Atsimo no nandaminana ny raharaha anatin’ity ankolafy ity indray sy namaritana ny dingana manaraka tsy maintsy atrehana.

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany ary fantatra fa tena henjana ny fifandresen-dahatra izay vao nambara tamin’ny fomba ofisialy fa ny Dr Robinson Jean Louis no kandida hotohanana. Tsy maintsy mandray andraikitra ny ankolafy Ravalomanana fa tsy hanaiky mora foana ny hiakaran’ireo mpandroba ny harem-pirenena eo amin’ny fitondrana. Izany no tsy maintsy handraisana anjara amin’ny fifidianana. Hanararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina mantsy ny ankolafy Rajoelina vantany vao tsy hita tabilao amin’ny fifidianana filoha eo ny ankolafy Ravalomanana. Efa miparitaka be ny feo fa mikasa ny hanao “1er tour dia vita” ny kandida Hery Rajaonarimampianina izay efa mibaribary be fa kandida tohanan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany sy izay rehetra mitovy tanjona aminy, na eto an-toerana io na any ivelany. Fantatra mazava tsara izao anefa fa maro amin’ireo mpitondra fanjakana akaikin’ny filohan’ny tetezamita no voatonontonona anatina afera maizina sy efa tena hita mibaribary be fa soavalin’ny Frantsay sy ataony fitaovana hitsentsefana ny harem-pirenena eto. Tsy afaka ny hitazam-potsiny izany ny ankolafy Ravalomanana fa tsy maintsy mijoro sy miady ho an’ny tanindrazana, ka izay no tsy maintsy hanohanana kandida mitovy fomba fijery amin’ny tena.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT