Tany Mahajanga no nanohizan'ny kandida Edgard Razafindravahy ny fitsidihany tamin'ny sabotsy teo. Ity no fivoahana voalohany nataony tao aorian'ny fanovana ny lisitry ny mpilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena.
Tonga maro ny vahoakan'i Mahajanga tao amin'ny Gare Routière nihaino sy te ahafantatra misismisy kokoa mikasika ity kandida ity. Ben'ny tanàna miisa 72 amin'ny Faritr’i Boeny sy fihoham-pokontany an-jatony maro no tonga nanotrona azy na dia teo aza ny fanakatsakanana samihafa natao azy ireo. Nisy koa moa asomparana natao mikasika ny fanamafisam-peo mba tsy ahavanona ny hetsika nefa tsy nanakana ireo vahoaka miandrandra azy izany. Marobe be ihany koa ny fikambanana, ny tangalamena ary ny sojabe tonga nanohina ny antsony. Avy hatrany moa dia vavany ny kabary nataony manoloana izany zava-mitranga izany. "Vonona aho handresy ny maizina, hiady amin'ny kolikoly, amin'ireo mpambotry firenena", hoy izy tao anatin'ny tehaka mirefodrefotra. Mahafatantra tsara ny fahoriana mianjady amin'ny vahoaka ne Ben'ny tanàna an'Antananarivo teo aloha ka nanome toky fa hitondra vahaolana. "Tsy maintsy resena ny fahantrana, ny habadoana, ny aretina samihafa. Tsy ho vita nefa izany raha tsy voky ny vahokaka. Resabe fotsiny no atao raha noana ny vahoaka ka tsy maintsy ezahina ny famokarana", hoy ihany izy. Efa vonona amin'izany ny tenany ary efa ela no niomana amin'ny fifidianana ary manantena fa hiaraka aminy ny mpifidy araka ny teny filamatra nofinidiny dia ny hoe "Isika rehetra tsy maintsy mandresy". "Tsy maintsy atao ny fifidianana ary miaraka amintsika no anaovana izany" hoy ihany izy. Nanome toky ny vahoakan'i Mahajanga ny kandida Edgard Razafindravahy fa mbola hiverina hifanatri-tava amindry zareo rehefa misokatra ny fampielezan-kevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.