Nandray ny “Fihavanana Tour” ny Distrikan’i Mananara Avaratra ny sabotsy 14 septambra teo. Nandritra izay no nahatongavan’Atoa Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko MTS sady kandida ho filoham-pirenena, nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’i Mananara Avaratra tao amin’ny kianja monisipaly Ambalampenja.
Niaina mivantana ny fijalian’ny vahoaka sy ny mpandeha mampiasa ny lalam-pirenena faha-5 Atoa Roland Ratsiraka, satria moto no nihazoany ity Distrika ity izay nataony tao anatin’ny ora efatra sy sasany ny lalana mirefy 121km, raha ora 17 no hanaovan’ny fiara tsy mataho-dalana namboarina manokana izany rehefa main’andro, 2 andro kosa amin’ny fotoan’ny orana, izay miainga avy ao Soanierana Ivongo. Sambany tamin’ny kandida ho filoham-pirenena no nahita maso ny faharatsian’ny lalana, izay efa an-taonany maro no nijalian’ny mponina sy mpandeha izany. “Niainako ny fijalianareo, hitako ny tena zava-nisy iainan’ireo mponina. Tsy maintsy harenintsika io, ka ny faran’ny taona izao aho manome vaovao mahafinaritra anareo mikasika ny fanamboarana ny RN5”, hoy Atoa Roland Ratsiraka. Nomarihany hatrany fa “mila mpitondra tena mijery ny fahoariam-bahoaka ny vahoaka Malagasy, satria simban’ny mpanao politika ny firenena ary norobain’ny tia tena ny harentsika, mirongatra loatra ny kiantranoantrano ka simba ny fihavanana”, hoy izy. Marihina fa tany fiavian’ny reny niteraka an’Atoa Roland Ratsiraka i Mananara Avaratra. Nitsodrano azy tamin’izao fandalovany tany izao, Atoa Bosantiry filohan’ny Tangalamena sy zokiolona ary raiamandreny any an-toerana.
Rakoutou (Iraka manokana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.