Zafilahy Stanislas

> Nanao «révélations» maromaro


  • Talata 17 Septambra 2013

Rehefa reraky ny mandà dia manaiky, hoy i Zafilahy Stanislas omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. «Révélation» maromaro no nambaran’ity mpitaritolona ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity tamin’io omaly io.

Iray amin’izany ny hoe tsy mitsahatra miresaka an-telefaonina sy manoro hevitra ny filoha Marc Ravalomanana ny tenany satria «hainy tsara ny fifankahazoana am-po aminay mpitarika sy ianareo vahoaka eto amin’ny Magro». Nandà hatramin’ny farany ny vinavina hoe hanolotra kandidà hafa ankoatra an’i Neny raha toa ka tsy manaiky mihitsy ny Iraisam-pirenena ny tenako, hoy izy. Nipao-tsatroka azy anefa aho rehefa nohazavainy tsara ny fandehan-draharaha tamin’ny fivoriana natrehany tany Windhoek ka nanaiky ny soso-keviny rehefa fatra-pandà izany. Safidy tao anatin’ny fandinihana ny maro no nahatapa-kevitra ny filoha Marc Ravalomanana hanohana ny Dr Robinson Jean Louis, hoy izy, fa tamin’ireo namana taloha dia nisy ny namadika azy ankitsirano niaraka tamin’ny mpanongam-panjakana teny an-kianjan’ny 13 mey.

Nisy koa aza ireo niaraka nandroba ny fananany tany Toamasina … “Révélation” iray hafa ny nilazan’i Zafilahy Stanislas ny anjara andraikitra lehibe notanan’ny kandidà Robinson Jean Louis tamin’ireny fandefasana ny fianakaviana Marc Ravalomanana nifindra monina tatsy Afrika Atsimo ireny sy ny fifandraisan’izy mirahalahy tamin’ny fandrafetana ny MAP andiany faha-2 izay hoentina hanohizana ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny efa nambaran’ity kandidà ity tamin’ny alahady teo. “Révélation” farany sady fiaikena ny olona mahery ny filoha Marc Ravalomanana ny nilazan’i Zafilahy Stanislas fa tsy nahavita ny 10% notakiany amin’ny fameranana azy an-tanindrazana akory isika mianakavy taty Madagasikara fa ny heriny mihitsy no nentiny nampandresy lahatra ny Troika-SADC ny tsy maintsy hampodiana azy ankehitriny araka ny fifanarahana vita Sonia. Raha tsorina, hoy ity mpitaritolona ity, dia vitan’ny filoha Marc Ravalomanana ny 99%-n’ny nifanarahana fa ny 0,01% no mba nataontsika teto an-tanindrazana. Hody izany ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, ary hitarika ny fampielezan-kevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT