Hajo Andrianainarivelo

> Aoka tsy hifamingana !


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013


Nitsidika toerana maromaro tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny kandida ho filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo ny faran’ny herinandro teo, toy ny tao Betioky Atsimo, Ejeda ary Toliara. Manoloana ny fanakianana sy ny antsojay ataon’ireo niara-tolona taminy teny an-kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009 dia nilaza ny tenany fa “be ny mpifaninana nefa iray ihany no tanjona. Aoka anefa mba samy hihazakazaka mahitsy, fa tsy hiezaka hamingana ny hafa’’, hoy izy. Nasiany resaka ny fampihavanana izay nambarany fa sarotra. Noraisiny ohatra fa ny any Betioky Atsimo dia tapaka ny jiro nefa ny any an-kafa migalabona. Ny telefaonina tsy mandeha, nefa ny an’ny hafa crédit illimité”. Tsy havelantsika ho an’olon-tokana i Madagasikara, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Ny zava-dehibe, hoy ity farany dia ny mba handresen’i Madagasikara ny fahantrana ka tsy hitsiriritra ny any ivelany intsony ny tanorantsika.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT