Tafakatra 14 ankehitriny ireo kandidŕ hifaninana ho solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe voalohany.
Mety mbola hiakatra hatrany io isa io noho ny hamaroan’ireo mbola mikasa hilatsaka. Nametraka ny antontan-taratasy ho filatsahan-kofidiana ny marainan’ny alatsinainy 16 septambra ny kandidà avy amin’ny antoko Avana, Atoa Rakotondratsimba Dieu Donné, na i Dô araka ny fahafantaran’ny maro azy. Nambarany fa latsaka an-katerena ny firenena nandritra ity tetezamita ity noho ny nataon’ireo mpitantana izany ka izay no nanosika azy hilatsaka ho solombavambahoaka. Izy dia anisan’ny manohana ny hevitra hampodiana tsy misy hatak’andro ireo sesitany politika raha tena tiany ny hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Nambarany moa fa tsy olana ho azy ny fiarahan’ny antoko Avana sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fampandaniana ny kandidàn’izy ireo ho fanavotana an’i Madagasikara. Iray lisitra amin’i Dô amin’izao fifidianana izao moa Atoa Raoelison Rivo sy Atoa Nomenjanahary Hajanirina izay samy Zanak’Antsirabe avokoa.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.