Nampanontany tena ny mpanara-baovao politika ny resaka nandeha fa hoe nametra-pialana tsy ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita intsony Rtoa Naika Eliane voatendry avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana.
Ny alatsinainy teo no fantatra fa nametrahany ofisialy ny tararatasim-pialany teny amin’ny filohan’ity rafitra ity. Tsotra ny antony, hoy izy raha tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana izy omaly : “Tsy ankasitrahako io fifidianana atao amboletra ataon’ny Iraisam-pirenena io fa tsy hanompo ny iraisam-pirenena no ahatongavako eto fa hanompo ny tanindrazako. Mifandray tsara izahay sy ny Dr Jean Louis Robinson fa tsy misy olana manokana mihitsy, nefa noho io antony voalazako teo io dia tsy afaka ny hanohana azy aho. Midika ho fankatoavana an’ilay fifidianana tsy manjary mantsy raha miditra amin’izany fanohanana olona izany, hoy izy. Ary efa voalazan’ny fitsipika mifehy ny Ankolafy ihany koa moa fa hoe anisan’ny miala tsy ho mpikambana intsony izay tsy manaiky ny fanapahan-kevitra hanohana ity kandidà ity. Koa dia manatanteraka izany aho fa tsy miandry horoahina”. Manahy ny mbola hofitahan’ireto iraisam-pirenena ireto aho, hoy i Naika Eliane, fa roa taona lasa izay izy ireo no niteny hoe soniavo io tondrozotra io fa afaka telo andro dia mody ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy hita izay teo ! Roa taona ihany koa no nilazan-dry zareo fa midira ao anaty rafitra tetezamita fa antoky ny fodian-dRavalomanana izany. Tsy hita izay teo ! Nisy avy eo ny filazana fa raha manaiky ny “Ni…Ni…” ny filoha Marc Ravalomanana dia afaka mody malalaka tsy misy fepetra. Dia izao indray hoe manohàna kandidà fa hampodiana ianao. Manahy aho, hoy ity Senatera taloha ity. Tsy nisy izay fampiharana ny andininy voalazan’ny tondrozotra tao anatin’izay roa taona izay, hoy izy, ka amiko dia ny lalana nofaritan’ny FFKM no mety hahazoana mivoaka amin’izao krizy mahazo ny firenena izao. Misintaka kely aloha ny tenako ankehitriny fa ho hita eo ihany ny hanohizana ny raharaha politika, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.