Marc Ravalomanana

> Miantso ny firaisankinan’ireo mpomba azy


  • Alarobia 18 Septambra 2013

Mateti-piavy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Taorian’ny nanambarany ofisialy, ny sabotsy teo, fa hanohana 100% ny kandida Robinson Jean Louis ny ankolafy Ravalomanana tarihiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, dia niditra nivantana nitondra fanazavana tamin’ireo mpomba azy tao Brickaville izy omaly, raha nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana ao an-toerana ireto farany.

Nandritra izay no niantsoan’Atoa Marc Ravalomanana ireo mpomba azy rehetra mba hiray hina sy hanambatra ny hery hanohana ny kandida Robinson Jean Louis. Nitaona ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy tarihiny koa izy mba hanangana sy hanetsika ny komity mpanohana ny kandida Robinson Jean Louis. Mbola nanamafy indray Atoa Marc Ravalomanana fa ny Dr Robinson Jean Louis no kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ary niantso ireo Parlemantera ny tenany hampita amin’ireo mpikambana eny ifotony io fanapahan-kevitra io, ary raha ilaina hoy izy dia vonona hiditra mivantana amin’ny antso an-tariby ny tenany hitondra fanazavana misimisy kokoa. Hentitra ny toromarika nomen’Atoa Marc Ravalomanana ireo mpomba azy tao Brickaville fa “tsy azo avela hanjakan’ny mpanongam-panjakana ny sehatra fa potika ny firenena, ka tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana hanakanana izany”. “Tsy misy ny ahiahy na koa hampatahotra” hoy hatrany ny tenany, teny izay nahavelombolo sy nampitsiry indray ny fanantenan’ireo mpikambana tao Brickaville izay nisy tao anaty fisalasalana, hoy ny CST Leriva Manahirana, nitarika ity fivorian’ny ankolafy Ravalomanana tao an-toerana omaly ity.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT