Rarison Hilarion

> “Diso lalana ianao tsy mankato ny Prezidŕ Ravalomanana”


  • Talata 17 Septambra 2013

Nizotra an-tsakany sy an-davany toy ny fahita andavanandro ny tolona tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly 16 septambra ary nihoatra noho ny andro alatsinainy mahazatra aza ny isan’ny olona tonga.

Samy niaiky avokoa ireo mpitari-tolona nandray anjara tamin’ny lahateny nifandimbiasana fa tsy nahavita ny 10% nangatahan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny hetsika hampodiana azy an-tanindrazana ny mpitolona tao an-kianja sy tany an-databatra. Tsy hoe tsy nahavita tanteraka anefa, hoy ny MCT Rarison Hilarion, satria tsy voatery ny fidinana an-dalambe ka handoro sy hamotika zavatra sanatria no takiana tamin’izany 10% izany fa ny fahatongavanao an-kianja dia efa ao anatin’izany. Samy nitebiteby daholo isika tamin’ny sabotsy lasa teo ary hatreto aza dia mbola misalasala, hoy izy, nefa dia ambarao ny namana rehetra fa iny nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana iny no lalana tokony halehantsika. Sao dia diso lalana ianao tsy mankato ny Prezidà Ravalomanana ka ho tafintohana rahampitso, fa efa nambarako ombieny ombieny fa nahita faisana izay nanao ratsy ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny MCT Rarison Hilarion. Averiko, hoy ity farany, fa diso lalana izay mandika ny fanapahan-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana. Efa lasa ilay taratasy nambaran’i Mamy Rakotoarivelo fa homena ny Troika-SADC mitaky ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra tany Windhoek hampodiana ireo sesitany politika, hoy ny MCT Hilarion.

 

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT