Fikambanana “Hiaraka Isika”

> Tsy fotoan’ny tandrametaka intsony izao


  • Talata 17 Septambra 2013


Manahy ny hisian’ny fifidianana tsy azo antoka ny vahoaka mpifidy amin’iny distrikan’i Tolagnaro iny, hoy ry zareo ao amin’ny fikambanana Hiaraka Isika ao an-toerana. Antony, tsy mbola misy tokotaniny ny fanentanana ireo mpifidy hiatrika ny adidy maha olom-pirenena azy. Hatreto koa dia tsy mbola mahafantatra izay mety ho endrikendriky ny bileta tokana sy ny fampiasana azy ny any an-toerana. Mbola manavao ny mpifidy anefa ny fampiasana ny bileta tokana noho izy io vao sambany hampiasaina eto Madagasikara. Ankoatra izay, mbola mampanahy be ihany, hoy ry zareo, ny hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny ho fizotry ny fifidianana amin’ny andro fahavaratra, indrindra ny any ambanivolo. Ao anatin’ny faritra mena rahateo ny akamaroan’ny Kaominina any atsimo. Manampy trotraka ny hamaroan’ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Tsy fotoan’ny tandrametaka intsony izao, hoy ry zareo Hiaraka Isika. Ilaina ny fahamatorana raha hiatrika raharaham-pirenena.

 

 

Natiora OTH

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT