• Alatsinainy 13 Janoary 2014
Dr Robinson Jean Louis
Hiaro ny safidim-bahoaka hatramin’ny farany

Tonga teny amin’ny Magro Behoririka i Dr Robinson Jean Louis ny sabotsy 11 janoary lasa teo. Nambarany fa ny antony hahatongavany eo amin’ny kianjan’ny Fahamarinana dia hanome hafatra ho an’i Madagasikara satria amin’izao fotoana izao dia maro loatra ny tsy rariny eto.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 13 Janoary 2014
Fahamarinan’ny safidin’ny olom-pirenena
Miainga amin’ny vato voamarina

Tsy tokony hionona fotsiny amin’ny vokatra navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hoy ireo mpisolovava ny kandida filoham-pirenena Robinson Jean Louis.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 13 Janoary 2014
Lalao Ravalomanana
Niala tamin’ny fahanginany

Feno fisaorana an’Andriamanitra isika nomeny andro hahazoantsika mifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona, hoy i Neny Lalao Ravalomanana. Izay no anisan’ny nambarany tamin’ny sabotsy teo raha nandray fitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 13 Janoary 2014
Vondron’ny mpisolovava ny kandida Robinson
Mitaky ny hamoahana ny marina

Naharitra ora roa latsaka tamin’ny sabotsy 11 janoary 2014 maraina lasa teo ny fanohanana am-bava notanterahan’ireo vondron’ny mpisolovava an’ireo kandida roa filoham-pirenena tamin’ny fifidianana ny 20 desambra 2013 farany teo anoloan’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana teny Ambohidahy.

Hamaky ny tohiny
FTT