Tonga teny amin’ny Magro Behoririka i Dr Robinson Jean Louis ny sabotsy 11 janoary lasa teo. Nambarany fa ny antony hahatongavany eo amin’ny kianjan’ny Fahamarinana dia hanome hafatra ho an’i Madagasikara satria amin’izao fotoana izao dia maro loatra ny tsy rariny eto.
Haverina ny fanisam-bato
Ny voalohany dia tsy mbola nisy tamin’ny tantaran’i Madagasikara ny halatra bevata tamin’ny fifidianana hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny farany. Tsy azo ekena izany, hoy izy. Izany no nahatonga anay niaraka amin’ireo namana nametraka fitoriana any amin’ny CES nefa betsaka ny zavatra nitranga ka nahatonga anay hanana ahiahy aminy. Misy milaza fa i dokotera Robinson dia efa nilaza fa manaiky resy. Sanatria izany !”. Ny zavatra nifanarahana dia ny fahamarinana ary ny marina tsy mba maty. Zavatra tsotra, hoy i Robinson Jean Louis no hangatahan’ny vahoaka dia ny fanisana ny vato sy fanisana ny vata fandatsaham-bato, jerena ny bileta halatra rehetra dia esorina. Raha toa ka bileta tsy izy dia esorina. Raha izay no atao dia manaiky izahay fa raha tsy izany dia tsy manaiky izahay. Mangataka fanafoanana ny vato azon’i Hery isika, hoy izy. Ny fanesorana an-daharana na “disqualification” dia nangatahana hatao fa be dia be ny zavatra tsy mety. Ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-15 dia milaza izany. “Ho aiza isika raha io tondrozotra io no tsy ekena ?”, hoy ny fanontaniana napetrak’i Dr Robinson Jean Louis. Mangataka amin’ireo mpikambana ao amin’ny CES isika mba hanaovan’izy ireo tsara ny asany, mba tsy hisian’ny zavatra tsy mety eto Madagasikara.
Hidina an-dalambe
“Mangataka ny hanisana ny vato izahay, raha tsy izay sokafanay ny vavahady”, hoy i Dokotera. Miha mafampana indray noho izany ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena. Tsy honohono intsony fa dia efa manambana ny hivoaka ny Magro ary hidina eny an-dalambe ny ankolafy Ravalomanana sy ny Avana izay miara-dia amin’i Dr Jean Louis Robinson. Efa nilaza moa ny tenany fa vonona hanolotra ny ainy ho an’ny Malagasy ary tsy afaka ny hangina sy hipetra-potsiny manoloana ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana. Mazava ny resaka eto fa raha hanambara ny fandresen’i Hery Rajaonarimampianina ka tsy hanao fampitahana ny vato ny CES dia ho avy ny fitokonana sy ny fidinana an-dalambe ary mety hiverina mihitsy ny zava-nitranga tamin’ny 2002 nandritra ny hetsika fiarovana ny safidim-bahoaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.