Naharitra ora roa latsaka tamin’ny sabotsy 11 janoary 2014 maraina lasa teo ny fanohanana am-bava notanterahan’ireo vondron’ny mpisolovava an’ireo kandida roa filoham-pirenena tamin’ny fifidianana ny 20 desambra 2013 farany teo anoloan’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana teny Ambohidahy.
Efa voarain’ity rafitra manokana mpitsara ny fifidianana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ity moa ireo antontan-taratasy rehetra mirakitra ny fitarainana na fiarovan’ny roa tonta mikasika ireo trangan-javatra mampifanolana mikasika ny voka-pifidianana izay andrasana tsy ho ela ny fanapahan-kevitr’ireo mpikambana ao amin’ny CES. Niompana tamin’ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny fampiharana ny lalàna momba ny fanalana an-daharana ireo kandida tsy nanara-dalàna sy ny fangatahana ny fanafoanana ireo vato rehetra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny fanampim-panazavana nataon’ireo solontenan’ireo kandida mahafehy manokana ny lalàna tamin’ny faran’ny herinandro io. Ho an’ny mpisolovava ny kandida Robinson Jean Louis nahitana an-dRadilofe Mamy sy Andriamadison Hasina, dia mitaky ny fandraisana andraikitr’ireo mpitsara manokana mikirakira ny fifidianana izy ireo. Mitaky koa izy ireo ny hamoahana ny fahamarinana mikasika ny tena safidin’ny olom-pirenena tamin’ny fifidianana. Mba hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana sy ny mangarahara dia nangataka tamin’ny filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny CES ireto mpiaro ny kandidan’ny Avana ireto ho sahy hanatanteraka ny famerenana ny fanisam-bato ampahibemaso eo anatrehan’ireo kandida roa. Amin’izy ireo mantsy dia ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana irery ihany no manana ny fahefana feno afaka manapa-kevitra ny amin’izany. Ho fiarovantenan’ny an-kilany kosa dia nangataka tamin’ny fitsarana izy ireo ny hampiasa ireo antontan-taratasy miaraka amin’ny porofo izay efa ananan’izy ireo. Niatrana teny Ambohidahy ny mpitandro filaminana avy amin’ny EMMO-REG tamin’io fotoana io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.