Marc Ravalomanana

> Miantso ny Troika-SADC sy ny CES hieritreritra


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014


Miondrika am-panajana sy am-panetrentena eo anoloan’ny ain’ireo zanatsika maratra sy marary any amin’ny hopitaly Mahajanga aho, hoy ny filoha Marc Ravalomanana niditra nivantana an-telefaonina tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 12 janoary teo. Tena mafy ny manjo ny Malagasy amin’izao fiandohan’ny taona izao satria miaina ao anatin’ny tany tsy tan-dalàna, tsy misy fanajana ny zo maha olona intsony. Mampiteny ny moana ny zava-mitranga fa any amin’ny faritry ny oniversite no mitifitra ny miaramila. Miantso ahy daholo, ireo filoham-panjakana hoe : “loza, loza izany”. Nino ny Malagasy fa hifarana hatreo ny adilahy politika nefa vao omaly no voaporofo fa tsy azo itokisana ny fifidianana taty Madagasikara. Hijery sy hangina fotsiny ve ny mpanelanelana nefa hita izao fa mitongilana ? Miangavy ny Troika-SADC aho hieritreritra satria ny tondrozotra nataony dia voahitsakitsaka. Asakasaky ny CES koa satria misy porofo fa misy ny hosoka sy halatra tamin’ny fifidianana, ka izay no angatahana hanamarinana sy hamerenana ny fanisana ireo bileta tena nampiasaina, hoy hatrany izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT