Fahamarinan’ny safidin’ny olom-pirenena

> Miainga amin’ny vato voamarina


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014

Tsy tokony hionona fotsiny amin’ny vokatra navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hoy ireo mpisolovava ny kandida filoham-pirenena Robinson Jean Louis.

Antony voalohany dia satria tsy nanao fianianana ireo mpikambana ao amin’ny CENI-T, izany hoe tsy misy maha samihafa amin’ireo vokatra voaangon’ny foiben’ireo kandida ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ity rafitra napetraka ity. Mitovy lanja tanteraka, araka izany, ireo karazam-bokatra voaray ireo. Faharoa dia manana fitaovana afaka manaporofo ireo bileta tena izy mihoatra amin’ireo sandoka ny CENI-T saingy tsy nampiasainy izany. Fahatelo dia azo atao tsara ny manamarina ireo laharan’ireo bileta tokana nampiasaina miaraka amin’ireo toerana notsinjaraina azy isanisany nandritra ny fotoam-pifidianana. Noho ireo teboka telo tena mafonja ireo dia tsy ho sarotra ho an’ireo mpitsara manokana ny fifidianana ny hanamarina ireo bileta tokana tena izy sy sandoka tonga tao amin’ny foiben’ny CENI-T sy ny voarain’ny CES. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany moa ny nilazan’ny mpitondra tenin’ny mpisolovava ny kandidan’ny Avana nilaza fa tsy fahita hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny fifidianana maneran-tany mihitsy izany hoe kandida nahazo tombom-bato hatrany amin’ny 190% amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izany. Mbola anisan’ny nampiavaka ity fifidianana fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara indray ihany koa ity tranga iray ity.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT