Lalao Ravalomanana

> Niala tamin’ny fahanginany


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014

Feno fisaorana an’Andriamanitra isika nomeny andro hahazoantsika mifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona, hoy i Neny Lalao Ravalomanana. Izay no anisan’ny nambarany tamin’ny sabotsy teo raha nandray fitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka ny tenany.

Raha ny rariny sy hitsiny dia tokony hifaly havanja isika nahazo izany tombon’andro izany kanefa tsy afaka noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy izy. Miara-miombona alahelo amin’ny namantsika any Mahajanga isika satria, hoy ny tenin’ny soratra masina hoe : “miaraha ory amin’izay ory”. Amin’ny maha Reny ny tena dia manohina ny fo ary mahatsiaro onena ny fo manoloana ny zavatra nitranga satria ny zanaka malagasy no vonoina, ka tsy ekena izany. Matoa ny ankizy mihetsika dia hitany fa misy zavatra tsy mety ao, hoy izy. Ny ray aman-dreny marina dia tokony hihaino izay lazain’ny zanaka satria ireo no hoavin’ny firenena, ireo tanora ireo no volavolaina ahazoana taranaka sy firenena vanona. Misy fotoana ahanginana ary misy fotoana hitenenana ka tsy mety ny tenako ankehitriny raha tsy miteny ary hiady hitady ny marina manoloana ny zava-misy. Ny asan’ny mpitandro ny filaminana, araka izany teny izany, dia tokony hitandro ny filaminana ho an’ny firenena, ho an’ny vahoaka Malagasy ka tsy hamelantsika ny marina fa hiady ho an’izany isika. Hasehontsika fa olombanona isika ary averintsika ny fampihavanam-pirenena ary indrindra isika reny hitrotro am-bavaka ny zava-misy eto amin’ny firenena, fa ny vavaka no manova zavatra. Nambarany fa ho avy matetika ao an-kianjan’ny Fahamarinana i Neny hifankahery sy hifampita vaovao.

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT