• Zoma 28 Martsa 2014
Politique.Antsirabe Eo am-piandrasana praiminisitra, efa ketrehana ny seza hafa

Sesilany ny fivoriana miafina ary tsy an-kiato mihitsy izany ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tato ho ato. Eo aloha ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay efa ihaonan’ny ankolafin-kery isan-krazany mifandresy lahatra mba hifanohana, fa eo ihany koa ny fiketrehana seza sahady aorian’ny fitsanganan’ny Governemanta ho avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 27 Martsa 2014
Politique.Hery Rajaonarimampianina Lany andro mihodinkodina fotsiny

Ela fitery ronono ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy Razafimandimby Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, lany andro mihodinkodina fotsiny tsy mba nahay naka tahaka ny nataon’ny filoha Marc Ravalomanana fony izy tonga teo amin’ny fitondrana, herinandro dia voatendry ny praiminisitra ary nitsangana ny governemanta.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 27 Martsa 2014
Politique.Mpiasam-panjakana ambony Nisy telo notendrena nandritra ny Filankevitry ny minisitra

Raha praiminisitra no nandrasana dia fanendrena mpiasam-panjakana ambony no nanamarika ny andro omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Martsa 2014
Politique.Praiminisitra Olona tsy hampoizina ?

Raha ny tokony ho izy dia hisy filankevitry ny minisitra anio alarobia ary raha ny tombantomban’ny mpanara-baovao sasany dia horesahana mandritra izany ny fanendrena ny praiminisitra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Martsa 2014
Politique.Fanendrena praiminisitra Miteny ny Faritra

Nirarakopana omaly tany amin’ny faritra Atsimo Andrefan’ny nosy iny, ny fanambarana samihafa mampahery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanendrena ny praiminisitra. Omaly tany Betioky Atsimo dia nanao fanambarana ny komity mpanohana ka nampandany ny filoha Hery Rajaonarimampianina any an-toerana fa «manohana 100% ny politikan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisokafana mba hisian’ny fampihavananm-pirenena tena izy hanjakan’ny firaisankinam-pirenena», araka ny nambaran’i Mailhol Onaly (Jiaby jiaby) mpitarika ny MAFI, nitondra teny.

Hamaky ny tohiny
FTT