Hampiantso ireo depiote 12 mianadahy tsy hanavahana loko politika (Mapar sy Ankolafy Ravalomanana) lany teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Pds-n’Antananarivo Renivohitra, Ny Hasina Andriamanjato, araka ny nambarany tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray eto Iarivo tamin’ny alahady teo.
Horaisina amin’io fihaonana hifanaovana io ireo vinan’asa nentin’izy ireo nandresy lahatra ny mpifidy nandritra ireny fampielezan-kevitra farany teo ireny fa hoe hanasoavana vahoaka, hoy izy. Hotsarain’ny tantara eo izay mpanao kobaka am-bava nanao vonjy tavan’andro niatrehana fifidianana fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.