Raha ny tokony ho izy dia hisy filankevitry ny minisitra anio alarobia ary raha ny tombantomban’ny mpanara-baovao sasany dia horesahana mandritra izany ny fanendrena ny praiminisitra.
Misy feo mandeha mihitsy aza fa hotendren’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ity anio ity ny praiminisitra. Izay aloha no lojika indrindra raha dinihana ny fanambarana nataon’Atoa filoha tany Etazonia, izay nanamafisany fa hanangana ny governemanta avy hatrany ny tenany vantany vao tonga eto Madagasikara. Misy milaza koa anefa fa amin’ny zoma ho avy izao no mety hanendrena ny praiminisitra. Hatreto aloha dia anarana roa no tena miverimberina dia ny an’i Haja Resampa natolotry ny MAPAR sy ny an’i Dr Jules Etienne kandidan’ny PMP.
Misy ny anarana hafa re etsy sy eroa saingy raha hajaina ilay fe-potoana tamin’ny 26 febroary tamin’ny 4 ora tolakandro nomen’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana, dia ireo anarana roa ireo ihany no azon’ny filoham-pirenena hisafidianana. Tsy fantatra mazava moa izay tena hevitr’i Hery Rajaonarimampianina, fa ny averimberiny fotsiny dia ny hoe izy no misafidy izay olona hiaraka hiasa aminy. Ny fandavany ny fanendrena an’i Haja Resampa natolotry ny MAPAR sy ny fisalasalany hanendry an’i Dr Jules Etienne natolotry ny PMP anefa no mahatonga izao fitarazohana izao.
Inona indray no hitranga ? Ireo ihany anefa no kandida raha tsy hoe handika lalàna sy hivadika tamin’ny teny nomena indray angamba ka hamorona anarana hafa mihitsy. Miverina indray mantsy ny anaran’i Horace Gatien hatry ny omaly. Izy no safidy fahatelo ? Zanak’Avaratra (SAVA) izy, tsy nisy vondrona politika nanolotra azy, fa hoe ny fifandraisany akaiky amin’ny filoha no mety hampirona ny safidy aminy sy ny hisian’ny fifandanjam-paritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.