Nirarakopana omaly tany amin’ny faritra Atsimo Andrefan’ny nosy iny, ny fanambarana samihafa mampahery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanendrena ny praiminisitra. Omaly tany Betioky Atsimo dia nanao fanambarana ny komity mpanohana ka nampandany ny filoha Hery Rajaonarimampianina any an-toerana fa «manohana 100% ny politikan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisokafana mba hisian’ny fampihavananm-pirenena tena izy hanjakan’ny firaisankinam-pirenena», araka ny nambaran’i Mailhol Onaly (Jiaby jiaby) mpitarika ny MAFI, nitondra teny.
Tao Toliara dia nilaza ihany koa ny Komity nampandany ny filoham-pirenena fa «mamela malalaka sy mitso-drano ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay olona hotendreny amin’ny toeran’ny Praiminisitra. Adidin’ny filoham-pirenena ny manendry izay olona hitany fa maharesy lahatra azy hampandroso an’i Madagasikara ary hitandrina toy ny anakandriamaso ny firaisankinam-pirenena hanjakan’ny fampihavanam-pirenena. Masina ny tanindrazana», hoy Pasitora Zilivelo namaky ny fanambarana tao amin’ny foiben-toeran’ny HVM ao Tanambao Morafeno.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.