- Alakamisy 03 Aprily 2014
Politique.Fitsanganan’ny governemanta vaovao
Antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara
Hamaky ny tohinyAntoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara
Hamaky ny tohiny«Mitaky hatrany ny fampiharana ny tondrozotra izahay»
Hamaky ny tohinyRaha efa miomana fatratra hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo ireo mpanao politika vao misandratra any amin’iny Distrikan’i Faradofay, dia tsy mbola nandrenesam-peo kosa ireo mpanao politika fanta-daza any an-toerana, toa an’i Soja Jean André na Kaleta sy Bruno Josvah, izay samy olom-boafidy teo aloha.
Hamaky ny tohinyVoaresaka teto amintsika, hatramin’ny Repoblika voalohany ka hatraty amin’ny tetezamita farany teo, ny fisian’ny fanagadran’ny mpitondra fanjakana ireo izay tsy mitovy firehana taminy na nokilasiana fa nanohitra marindrano ny fitondrany. Gadra politika no hikilasian’ny maro an’ireny ka tamin’ny fitondrana tetezamita (2009-2014) no tompondaka tamin’izany satria nahatratra 302 ireo naiditra am-ponja ireo nandritra io vanim-potoana io. Na dia efa ao anatin’ny Repoblika faha-4 aza isika ankehitriny dia mbola misy 22 ireo tavela any am-ponja ahitana olon-tsotra sy miaramila manamboninahitra maro. Milaza ny heviny ireo niharam-boina sy/na ireo havany nohadihadian’ny Tia Tanindrazana.
Hamaky ny tohinyEfa eo am-pamaranana ny fandinihana ny fanendrena izay ho praiminisitra ny tenako amin’izao fotoana, hoy i Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy 29 martsa lasa teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.
Hamaky ny tohinyNambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra mitondra ny laharana 05-HCC/D3 navoakany omaly fa tsy ara-dalàna ary tsy azo ekena ny fampiasana ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena, satria tsy nandalo teny amin’ny HCC mba hohamarinina ilay izy.
Hamaky ny tohiny