Politique

Hery Rajaonarimampianina Lany andro mihodinkodina fotsiny


  • Alakamisy 27 Martsa 2014

Ela fitery ronono ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy Razafimandimby Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, lany andro mihodinkodina fotsiny tsy mba nahay naka tahaka ny nataon’ny filoha Marc Ravalomanana fony izy tonga teo amin’ny fitondrana, herinandro dia voatendry ny praiminisitra ary nitsangana ny governemanta.

 Ankehitriny, toa matahotra ny hitsinkafonan’ny nafenina izany rehefa vaovao ny governemanta ka miezaka mitazona ireo toerana, indrindra ny an’ny praiminisitra. Sarotra ho an’ny MAPAR, hoy i Zafilahy Stanislas, ny hahangona ny 3/4-n’ireo solombavambahoaka ilaina amin’ny fanaovana “empêchement” efa kononkononiny raha mora ho an’i Hery Rajaonarimampianina ny mandrava ny Antenimieram-pirenena.

Matahotra ny tsy voafidy intsony ireo MAPAR mpikambana amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ireo rehefa haverina hanara-dalàna tsara ny fifidianana. Aoka ianarao PMP, hoy i Zafilahy tsy hofitahana amin’ny hoe hampitomboina ho avo roa heny ny isan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra fa handany volam-bahoaka izany. Ny vahoaka izay mijaly fadiranovana ka ny hanenana ny isan’ireo mpandray volabe tahaka ny nataon’ny filoha Ravalomanana no tena izy, telo monja ny filoha lefitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT