Raha praiminisitra no nandrasana dia fanendrena mpiasam-panjakana ambony no nanamarika ny andro omaly.
Notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra ny Tale jeneraly mpisolo toerana ny OMERT (Office Malgache des Etudes et de la Régulation des Télécommunications), ka Rakotoarivelo Longin no nanankinana io andraikitra io, misolo toerana an’i Andriamananoro Augustin. Notendrena ho talen’ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) Atoa Rasoamaromaka Roy Nantenaina ary Rabarihoela Liva Harinony indray izao no talen’ny harofenitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.