Politique

Antsirabe Eo am-piandrasana praiminisitra, efa ketrehana ny seza hafa


  • Zoma 28 Martsa 2014

Sesilany ny fivoriana miafina ary tsy an-kiato mihitsy izany ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tato ho ato. Eo aloha ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay efa ihaonan’ny ankolafin-kery isan-krazany mifandresy lahatra mba hifanohana, fa eo ihany koa ny fiketrehana seza sahady aorian’ny fitsanganan’ny Governemanta ho avy eo.

 Nanaitra ny resaka tamina tompon’andraikitra ara-panjakana iray fa efa misy ny fanomanana olona hafa hitantana ny Faritra raha vao mitsangana ny Governemanta vaovao. Tahaka izany ihany koa ny fikasana handrodana sy handrava ny Delegasiona manokana, izay tarihin’Atoa Razafindrainony Lala Marie Béryl amin’izao fotoana. Mbola io loharanom-baovao io no nahalalana fa efa mandehandeha any ny anaran’olona kasaina hapetraka amin’ireo toerana roa ireo aloha dia ny lehiben’ny Faritra sy ny PDS izay vao mijery ny toerana manaraka.

Nohamafisin’ity loharanom-baovao ity fa efa vita resaka any ambonimbony any izany ka ho mpandraharaha fantatry ny maro no hitarika indray ny Delegasiona manokana, izay fantatra fa ho kandidà Ben’ny tanàna ihany koa aoriana kely ao, ary mpiasam-panjakana ambony ao an-toerana ihany no hisahana ny fitantanana ny Faritra, izay nolazaina fa tsy hotantanan’ny vahiny tsy zanatany.

Saika olona tsy zoviana amin’ny maro ireto olona ireto satria saika tazana hatrany nandritra izay fitondrana nifandimby ary hita ho tompondakan’ny filomanosana ara-politika sy karazan’ireny tsy mpitaingina soavaly maty ireny, ka asa na ho lafon’izany indray ny mpitantana any ambonimbony any. Efa nandeha mihitsy moa ny ketrika amin’ny fomba fitadiavana hetsika mba hisehoana sy hampahafantaran’izy ireo tena ato ho ato. Hatreto aloha dia fikasana ny an’ireto olona ireto izay milaza fa hanarina an’i Vakinankaratra sy ny Tanànan’Antsirabe ireto. Tantara mitohy vaovao indray !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT