• Alatsinainy 28 Aprily 2014
Politique.Minisitra Fienena Richard Laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina

“Harenina ny orinasa Jirama hiavo-tena hialana sy hisorohana ny delestazy ary ny mpanjifa no andrianina”, hoy ny minisitry ny angovo Fienena Richard, raha nitafa manokana taminay ny faran’ny herinandro teo. Fomba fiasa vaovao io hialana amin’ny fimenomenon’ny mpanjifa tsotra sy ireo mpandraharaha. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny departemanta tantanany amin’izao ny tetikasa momba ny fanitarana amin’ny fahazoana angovo azo havaozina, ary efa vonona, hoy ity minisitra ity ireo mpiara-miombon’antoka.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 28 Aprily 2014
Politique.Marc Ravalomanana Nandefa iraka hanomana ny fodiany

Nitohy ny sabotsy teo tao amin’ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra izany ny lehiben’ny ankolafy Ravalomanana Ravatomanga Rolland.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Aprily 2014
Politique.Governemanta vaovao Betsaka ny olona no kivy sy valalanina

Nalahelo sy kivy ny olona tsotra sy ny mpanao politika any Ambatondrazaka tamin’ny fijoroan’ny governemanta voalohan’ny repoblika fahefatra fa toy ny niangarana ka tsy nahazo na dia minisitera iray aza ny zanaky ny Faritra Alaotra.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 26 Aprily 2014
Politique.Antenimieram-pirenena Niakatra ny feo, nivoaka ny trano Razanamahasoa Christine

Tsy diso ny tombana nataontsika teto amin’ny Tia Tanindrazana, fa tena nafampana ara-bakiteny tokoa ny toe-draharaha teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 25 Aprily 2014
Politique.Me ÔLala “Tsy tokony hampiana-dratsy vahoaka ny olom-panjakana”

Raha nanizingizina aho tany aloha fa olona mivoaka amin’ny sekoly ambony fianarana fitantanan-draharaham-panjakana no tokony ho filoham-pirenena, hoy i Me ÔLala mpisolovava, dia tsoahiko izany hevitro izany rehefa naheno ny fianianana nataon’ny filoha Rajaonarimampianina teny Mahamasina tamin’ny fametrahana azy tamin’ny toerany aho.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 25 Aprily 2014
Politique.Famindram-pahefana minisitra Feno havana aman-tsakaiza sy akamakama ny biraom-panjakana

Ankoatra ilay filazana tsianjery «hanao ady amin’ny kolikoly» nataon’ireo minisitra nanao famindram-pahefana ny talata 22 aprily, dia ny fanohizana ny nataon’ny minisitra dimbiasana sy ny mbola hiantsoana azy ireo raha toa ka misy traikefa tokony halaina aminy no niverimberina am-bavan’ireo minisitra vaovao ny alarobia sy omaly alakamisy.

Hamaky ny tohiny
FTT