Tsy diso ny tombana nataontsika teto amin’ny Tia Tanindrazana, fa tena nafampana ara-bakiteny tokoa ny toe-draharaha teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly.
Ny fiatrehan’ireo solombavambahoaka ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana manokana ny fitsipika anatiny no tiana ambara fa dia niakatrakatra ny feo tao anaty efitrano fivoriana ary tena niakatra avo dia avo tokoa ka tsy tantin-dRtoa Razanamahasoa Christine mbola nitantana ny fivoriana ka nahatonga azy nivoaka tsy niera ny efitrano, naka aina kely folo minitra teo ho eo, rehefa avy namelona lakolosy raha mbola nisy ny solombavambahoaka nihogahoga tao anatin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.